Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | MATIO 25

“Miambena Hatrany”

“Miambena Hatrany”

25:1-12

Navantan’i Jesosy tamin’ireo voahosotra mpanara-dia azy ilay fanoharana momba ny virjiny folo, nefa natao ho an’ny Kristianina rehetra koa. (w15 15/3 12-16) “Koa miambena hatrany àry, satria tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.” (Mt 25:13) Hainao ve ny manazava an’ilay fanoharan’i Jesosy?

  • Mpampakatra (and. 1): Jesosy

  • Virjiny malina sy vonona (and. 2): Kristianina voahosotra vonona hanatanteraka ny andraikiny foana. Toy ny mpanazava izy ireo mandra-pahatongan’ny farany (Fi 2:15)

  • Ilay antsoantso hoe: “Iny ny mpampakatra!” (and. 6): Porofo hoe efa manatrika i Jesosy

  • Virjiny adala (and. 8): Kristianina voahosotra mivoaka hitsena ny Mpampakatra. Tsy miambina foana anefa izy ireo ka mivadika

  • Tsy mety manome menaka ireo virjiny malina (and. 9): Tsy afaka manampy an’ireo voahosotra mivadika ireo voahosotra tsy mivadika, aorian’ny fanisiana tombo-kase farany. Efa tara loatra mantsy amin’izay

  • “Tonga ny mpampakatra” (and. 10): Tonga mba hitsara i Jesosy rehefa akaiky hifarana ny fahoriana lehibe

  • Miara-miditra amin’ny mpampakatra ao amin’ny fanasambe amin’ny fampakaram-bady ireo virjiny malina ary hidiana ny varavarana (and. 10): Angonin’i Jesosy ho any an-danitra ireo voahosotra tsy mivadika, fa tsy hahazo ny valisoany kosa ireo mivadika