Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hatsarao ny Fanompoanao: Miezaha Hitory An-taratasy

Hatsarao ny Fanompoanao: Miezaha Hitory An-taratasy

NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA? Te hampahery ny Kristianina hafa ny apostoly Paoly ka nanoratra taratasy 14. Iray amin’izany ny 1 Korintianina. Afaka mifidy tsara ny teny hampiasainy ny olona rehefa manoratra taratasy. Afaka mamaky an’ilay izy imbetsaka koa ilay olona andefasana azy. Iza avy no azontsika itoriana an-taratasy? Eo, ohatra, ny havana sy ny olom-pantatra. Mety hoe liana koa ny olona iray nitoriantsika, nefa tsy tratra an-trano mihitsy avy eo. Tsy afaka miresaka mivantana amin’ny olona sasany ao amin’ny faritanintsika koa isika. Mipetraka amin’ny tranobe misy mpiambina angamba izy ireny, na ao amin’ny tanàna tsy azo idirana, na amin’ny toerana mitokana. Mila mitandrina isika rehefa manoratra an’ilay taratasy, indrindra raha tsy fantatsika ilay olona andefasana azy.

AHOANA NO HANAOVANA AZY?

  • Eritrereto hoe inona no holazainao raha miresaka mivantana amin’ilay olona ianao, dia izay soratana. Ny mombamomba anao soratana voalohany, dia avy eo ny antony anoratanao. Azonao atao ny mametraka fanontaniana iray mety hahaliana azy, ary milaza fa ho hitany ao amin’ny tranonkalantsika ny valiny. Hazavao aminy avy eo fa mampianatra Baiboly maimaim-poana isika. Azonao atao koa ny mitanisa ny lohatenin’ny toko sasany ao amin’ny boky iray fampianarantsika Baiboly. Azo ampiarahina amin’ilay taratasy koa ny karatra jw.org, fanasana, taratasy mivalona, na zavatra hafa

  • Aza lava resaka, amin’izay tsy leo ilay olona mamaky azy.—Jereo ilay taratasy modely

  • Hamarino tsara ilay taratasy sao dia misy diso tsipelina. Tokony ho mora vakina sy hampahery ilay izy. Ataovy azo antoka koa hoe tsara fanahy ianao sady mahalala fomba. Mila atao ampy tsara koa ny hajia