Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Taratasy Modely

Taratasy Modely
  • Soraty eo amin’ilay taratasy ny adiresinao. Ahoana anefa raha hitanao hoe tsy fahendrena izany? Ny adiresin’ny Efitrano Fanjakana ampiasaina raha manaiky ny anti-panahy. TSY AZO ATAO MIHITSY anefa ny mampiasa ny adiresin’ny sampana.

  • Soraty eo amin’ny valopy ny anaran’ilay olona raha fantatrao. Ho tsapany amin’izay hoe natao ho azy manokana ilay taratasy.

  • Hamarino tsara ny tsipelina, ny fitsipi-pitenenana, ary ny mari-piatoana. Ataovy milamina tsara ny zavatra soratanao. Tokony ho mora vakina koa ilay izy raha atao sora-tanana. Aza mampiasa teny tsy manaja, nefa mitandrema koa sao lasa manaja loatra.

Hita amin’io taratasy modely io ireo hevitra ireo. Tsy voatery hatao mitovy tanteraka amin’io ny taratasy soratanao. Ataovy mifanaraka amin’ny zava-misy eo an-toerana sy ny olona andefasana azy ilay izy.