Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA?

Mampiasà Video Rehefa Mampianatra Baiboly

Mampiasà Video Rehefa Mampianatra Baiboly

Tsara ny mampiasa zavatra hita maso, mba ho mora azo sy mora tadidy ny zavatra ampianarintsika. Izany no nataon’i Jehovah, ilay Mpampianatra Be Voninahitra, rehefa nisy lesona lehibe tiany hampitaina. (Ge 15:5; Je 18:1-6) Nampiasa zavatra hita maso koa i Jesosy, ilay Mpampianatra Lehibe. (Mt 18:2-6; 22:19-21) Anisan’ny tena mandaitra izao ny video. Mampiasa azy ireny ve ianao rehefa mampianatra Baiboly?

Namoaka video folo ny fandaminana, mba hanampiana antsika rehefa mampianatra amin’ny bokikely Vaovao Tsara isika. Mifandray amin’ny fanontaniana sora-matevina ao amin’ilay bokikely ny lohatenin’ireo video ireo, amin’ny ankapobeny. Raha ao amin’ny jw.org ianao no mijery an’ilay bokikely, dia hahita rohy mankany amin’ireo video. Ho hainao amin’izay hoe inona no video azo aseho rehefa eo amin’ny lesona iray. Misy video hafa koa azo ampiasaina, rehefa mampianatra amin’ny boky na bokikely hafa.

Inona no azonao atao raha miatrika fitsapana ny mpianatrao, na misy zavatra tsy mazava tsara aminy? Afaka mikaroka video ao amin’ny jw.org® na ao amin’ny Tele JW ianao mba hanampiana azy. Afaka miara-mijery an’ilay video ianareo, ary miresaka momba an’ilay izy avy eo.

Misy video vaovao mivoaka foana isam-bolana. Saintsaino hoe ahoana no azo ampiasana azy ireny rehefa mampianatra Baiboly.