Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ROMANINA 12-14

Asehoy hoe Tena Tianao ny Hafa

Asehoy hoe Tena Tianao ny Hafa

12:10, 17-21

Tsy mamaly faty isika raha tena tiantsika ny hafa. Tsy ampy anefa izany, fa mila manao zavatra tsara ho an’ilay olona koa isika. “Raha noana ny fahavalonao dia omeo sakafo, ary raha mangetaheta izy, omeo zavatra hosotroiny, satria ny fanaovanao izany dia hanalefaka ny hamafin’ny fony, toy ny hoe mampivangongo vainafo eo ambony lohany ianao.” (Ro 12:20) Mety hanenina noho ny zavatra nataony ilay olona amin’izay.

Nalahelo tamin’ny zavatra nataonao angamba ny olona iray, nefa mbola tsara fanahy taminao ihany izy. Nanao ahoana ny fihetseham-ponao tamin’izay?