Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hatsarao ny Fanompoanao: Miezaha Hitory Amin’ny Jamba

Hatsarao ny Fanompoanao: Miezaha Hitory Amin’ny Jamba

NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA? Betsaka ny jamba tsy dia tia miresaka amin’ny olona tsy fantany. Mila ezaka kokoa àry ny mitory amin’izy ireo. Tia sy miahy ny olona jamba i Jehovah. (Le 19:14) Manahaka an’i Jehovah isika raha miezaka manampy an’ireo jamba mba hifandray akaiky aminy.

AHOANA NO HANAOVANA AZY?

  • “Tadiavo” ireo jamba. (Mt 10:11) Mahafantatra olona manana havana jamba ve ianao? Misy sekoly ho an’ny jamba na fikambanana mikarakara azy ireny ve ao amin’ny faritaninareo? Te hahazo boky na gazety ho an’ny jamba ve ry zareo?

  • Asehoy hoe miahy azy ianao. Tsy hatahotahotra ilay olona jamba, raha tsara fanahy aminy ianao sady mampiseho hoe tena te hanampy azy. Afaka miresaka zavatra mahaliana ny olona ao amin’ny faritany ianao mba hanombohan-dresaka

  • Omeo boky na gazety na zavatra hafa ilainy izy. Namoaka boky sy gazety amin’ny soratra braille na amin’ny endriny hafa ny fandaminana, mba hanampiana ny jamba sy ireo tsy dia mahita tsara. Anontanio izy hoe inona no mety aminy. Mila hamarinin’ny mpiandraikitra ny fanompoana hoe mety tsara ny fanafarana ataon’ny mpikarakara ny boky