Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | GENESISY 29-30

Nanambady i Jakoba

Nanambady i Jakoba

29:18-28

Olana tsy nampoiziny mihitsy no natrehin’i Jakoba rehefa nanambady izy. Lasa nifankahala sy nifaninana i Rahely sy Lea. (Ge 29:32; 30:1, 8) Na teo aza anefa ny olana, dia hitan’i Jakoba hoe nanampy azy foana i Jehovah. (Ge 30:29, 30, 43) Ny taranany koa no lasa firenen’Israely tatỳ aoriana.—Rt 4:11.

Hahita olana koa ny olona manambady, amin’izao andro izao. (1Ko 7:28) Afaka ny ho sambatra anefa izy ireo, raha miantehitra amin’i Jehovah sady mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly.—Oh 3:5, 6; Ef 5:33.