Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Iza koa no Azonao Asaina?

Iza koa no Azonao Asaina?

Manao ezaka manokana isika isan-taona, mba hanasana ny olona eny amin’ny faritany hanatrika Fahatsiarovana. Tsy fantatsika ny ankamaroan’izy ireny. Tokony hasaintsika koa anefa ireo olona efa fantatsika. Mety ho vonona kokoa hanatrika Fahatsiarovana mantsy ny olona iray, raha olona fantany no manasa azy. (yb08 11 § 3; 14 § 1) Iza àry no azonao asaina?

  • Havana

  • Mpiara-miasa na mpiara-mianatra

  • Mpiara-monina

  • Olona iverenana mitsidika sy ireo ampianarinao Baiboly ary ireo efa nianatra taloha

Hasain’ny anti-panahy koa ireo olona tsy mitory intsony. Ahoana raha tsy ao amin’ny faritaninareo no mipetraka ilay olona fantatrao? Afaka mijery ny toerana sy ny ora hanaovana Fahatsiarovana any amin’izay misy azy ianao. Midira ao amin’ilay hoe MOMBA ANAY, eo amin’ny pejy fandraisana ao amin’ny jw.org/mg. Tsindrio avy eo ilay hoe “Fahatsiarovana.” Rehefa miomana ho amin’ny Fahatsiarovana àry ianao, dia eritrereto hoe iza avy no azonao asaina, ary asao izy ireo.