Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Mandefera Foana na Mafy aza ny Mahazo Anao

Mandefera Foana na Mafy aza ny Mahazo Anao

Niady saina i Mosesy ary nisy zavatra nahasorena azy. Mbola handefitra ihany ve izy? (No 20:2-5; w19.02 12 § 19)

Fotoana fohy fotsiny i Mosesy no tsy nandefitra (No 20:10; w19.02 13 § 20-21)

Nosazin’i Jehovah i Mosesy sy Arona satria nanao fahadisoana lehibe (No 20:12; w09 1/9 19 § 5)

Ny hoe mandefitra dia toetran’olona malemy fanahy sy tsy manambony tena na mieboebo. Miaritra izy mandritra ny fotoana lava, nefa tsy sosotra na tezitra na te hamaly faty.