Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA | TE HO FALY KOKOA VE IANAO REHEFA MANOMPO?

Ampiasao ny Tenin’Andriamanitra

Ampiasao ny Tenin’Andriamanitra

Mahery ny Tenin’Andriamanitra! (He 4:12) Afaka manohina ny fon’ny olona tsy mahalala an’Andriamanitra izy io. (1Te 1:9; 2:13) Tena mahafaly antsika ny mahita hoe faly be ny olona itoriantsika rehefa mahafantatra zava-baovao avy ao amin’ny Baiboly.

JEREO ILAY VIDEO HOE MAHAFALY NY MANAO MPIANATRA: HATSARAO NY FAHAIZANAO... MAMPIASA NY HERIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA. VALIO IRETO AVY EO:

  • Mampiasa ny herin’ny Tenin’Andriamanitra isika rehefa manampy an’ilay olona hahita hoe ilaina ny mandinika ny Tenin’Andriamanitra. Ahoana no nanaovan’i Nita an’izany?

  • Mampiasa ny herin’ny Tenin’Andriamanitra isika rehefa asaintsika vakin’ilay olona amin’ny feo avo ilay andininy, ary asongadintsika ireo teny manohana ny hevi-dehibe. Ahoana no nanaovan’i Nita an’izany?

  • Inona no mampiseho hoe nanohina ny fon’i Sendra ny Tenin’Andriamanitra? Inona no mety ho vokatr’izany tamin’i Nita?