Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Fidio Tsara ny Namanao

Fidio Tsara ny Namanao

Fampitandremana ho antsika ny zava-nitranga tamin’ny Israelita teo amin’ny lemak’i Moaba. (1Ko 10:6, 8, 11) Ratsy fitondran-tena sady nanompo sampy ny vehivavy moabita. Nifanerasera tamin’izy ireny anefa ny Israelita sasany ka lasa nanao fahotana lehibe. Nisy vokany nahatsiravina izany. (No 25:9) Tsy manompo an’i Jehovah koa ny olona mifandray amintsika, ohatra hoe ny mpiara-miasa, mpiara-mianatra, mpiray tanàna, havana ary ny olom-pantatsika hafa. Hahita loza ve isika raha minamana amin’ny olona tsy manompo an’i Jehovah? Inona no ianarantsika avy amin’ny tantaran’ny Israelita?

JEREO ILAY VIDEO HOE OHATRA FAMPITANDREMANA HO AN’NY ANDRONTSIKA—AMPAHANY. VALIO IRETO AVY EO:

  • Inona ny hevi-diso noresahin’i Zimry sy ny lehilahy hafa tamin’i Jamina?

  • Ahoana no nanampian’i Finehasa an’i Jamina mba hananany fomba fijery mety?

  • Inona no tsy mampitovy ny hoe tsara fanahy amin’ny olona tsy manompo an’i Jehovah sy ny hoe minamana aminy?

  • Nahoana isika no mila mitandrina rehefa mifidy namana akaiky, na dia eo anivon’ny fiangonana aza?

  • Raha mampiasa tambazotran-tserasera isika, nahoana isika no tsy tokony hiditra amin’ny vondrona iray misy olona tsy fantatsika tsara?