HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Aza Manambony Tena na Matoky Tena Loatra
Tsy nanaiky ny lamina napetrak’i Jehovah i Kora, satria nanambony tena sy natoky tena loatra (No 16:1-3; w11 15/9 27 § 12)
Levita nohajain’ny olona i Kora, sady efa nanana andraikitra be dia be (No 16:8-10; w11 15/9 27 § 11)
Nanana toe-tsaina ratsy i Kora ary nisy vokany mangidy izany (No 16:32, 35)
Mety hoe nahavita be isika teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Tsy tokony hahatonga antsika hanambony tena na hatoky tena loatra anefa izany. Efa ela ve ianao no tao amin’ny fahamarinana, sa nitombo ny andraikitrao? Vao mainka mila manetry tena ianao raha izany.