Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Misy Farany Foana ny Fitsapana

Misy Farany Foana ny Fitsapana

Mahakivy ny fitsapana, indrindra rehefa maharitra ela be ilay izy. Fantatr’i Davida hoe tsy maintsy hisy farany ny fanenjehan’i Saoly Mpanjaka azy. Efa nampanantena mantsy i Jehovah hoe ho lasa mpanjaka izy. (1Sa 16:13) Nanam-pinoana i Davida dia izany no nanampy azy hanam-paharetana sy hiandry an’i Jehovah.

Afaka miezaka mba ho malina sy hanam-pahalalana ary hahay hisaina tsara isika rehefa misy fitsapana, mba hamahana ny olana mahazo antsika. (1Sa 21:12-14; Oh 1:4) Tsy mety tapitra anefa ny olana sasany na dia efa nanao an’izay azo atao aza isika sady tsy nandika ny fitsipiky ny Baiboly. Amin’izay isika no mila manam-paharetana sy miandry an’i Jehovah. Kely sisa dia hofaranany ny fahoriantsika rehetra sady “hofafany ny ranomaso rehetra” amin’ny masontsika. (Ap 21:4) Azo antoka fa tsy maintsy hisy farany foana ny fitsapana mahazo antsika. Mety hofaranan’i Jehovah ilay izy na mety hifarana amin’ny fomba hafa. Mampahery antsika ny mieritreritra an’izany.

JEREO ILAY VIDEO HOE VAHOAKA NIRAY SAINA FA TSY MBA NANAVAKAVAKA. VALIO IRETO AVY EO:

  • Inona no olana natrehin’ny Kristianina sasany tany amin’ny faritra atsimon’i Etazonia?

  • Ahoana no ahitana hoe nanam-paharetana sy be fitiavana izy ireo?

  • Ahoana no ahitana hoe niezaka foana izy ireo mba hifantoka amin’izay “zava-dehibe kokoa”?​—Fi 1:10