HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA
“An’i Jehovah ny Ady”
Nino an’i Jehovah i Davida satria nahalala azy sady efa nahatsapa hoe nampiany (1Sa 17:36, 37; wp16.5 11 § 2-3)
Nampitahain’i Davida tamin’i Jehovah i Goliata fa tsy tamin’ny tenany (1Sa 17:45-47; wp16.5 11-12)
Nataon’i Jehovah nandresy i Davida na dia natanjaka sy nampahatahotra be aza ny fahavalony (1Sa 17:48-50; wp16.5 12 § 4; jereo ny sary, pejy 1)
Mety hahatsapa ho bitika isika indraindray raha oharina amin’ny olana mahazo antsika, ohatra hoe enjehina na miady mafy amin’ny fahazaran-dratsy. Tadidio anefa hoe bitika ireny olana ireny raha oharina amin’ny herin’i Jehovah tsy misy fetra.—Jb 42:1, 2.