NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Iza no Namanao ao Amin’ny Internet?
Olona mifandray am-po sady mifanaja no atao hoe mpinamana. Lasa mpinamana tsy nifankafoy, ohatra, i Jonatana sy Davida rehefa avy namono an’i Goliata i Davida. (1Sa 18:1) Samy nanana toetra nahatonga ny andaniny ho tia ny ankilany izy ireo. Mifankahafantatra tsara àry ny tena mpinamana. Matetika no mitaky fotoana sy ezaka izany. Manindry bokotra indray mandeha fotsiny anefa ny olona mampiasa tambazotran-tserasera dia efa mahazo “namana.” Mora amin’ny olona ny manafina ny tena maha izy azy ao amin’ny Internet, satria azony omanina mialoha izay holazainy sady azony amboamboarina ny mety ho fahitan’ny olona azy. Aleo àry mitandrina tsara rehefa mifidy namana ao amin’ny Internet. Aza misalasala mihitsy mandà na tsy mamaly rehefa misy olona tsy fantatrao tsara mangataka ny ho namanao. Aza manaiky satria fotsiny hoe sao dia malahelo izy. Tsy mampiasa tambazotran-tserasera mihitsy ny olona sasany rehefa mieritreritra ny loza mety haterak’izany. Raha mifidy ny hampiasa anefa ianao, inona no tokony hotadidinao?
JEREO ILAY VIDEO HOE MBÀ FETSIFETSY AMIN’NY INTERNET! VALIO IRETO AVY EO:
-
Inona no tokony hoeritreretinao alohan’ny hilazana zavatra sy hametrahana sary ao amin’ny tambazotran-tserasera?
-
Nahoana ianao no tokony hitandrina tsara rehefa mifidy namana ao amin’ny Internet?
-
Nahoana no tokony hoferanao ny fotoana hampiasanao tambazotran-tserasera?—Ef 5:15, 16