HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA
“Ho ao Foana ny Foko”
Nofidin’i Jehovah ho azy ny tempoly (2Ta 7:11, 12)
Nilaza i Jehovah fa ho ao foana ny fony, izany hoe tena nahaliana azy izay rehetra nitranga tao amin’ny tempoly (2Ta 7:16; w02 15/11 5 § 1)
Havelan’i Jehovah horavana ny tempoly raha tsy nanompo azy tamin’ny “fony manontolo” intsony ny vahoaka (2Ta 6:14; 7:19-21; it “Tempoly”: “Tantarany” § 1)
Rehefa notokanana ny tempoly dia mety ho nieritreritra ny vahoaka hoe ho ao amin’io tempoly io foana koa ny fon’izy ireo. Mampalahelo anefa fa nihena tsikelikely ny zotom-pon’izy ireo tamin’ny fanompoana an’i Jehovah.
SAINTSAINO IZAO: ‘Ahoana no ampisehoako hoe manompo an’i Jehovah amin’ny foko manontolo aho?’