Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

1-7 Aprily

SALAMO 23-25

1-7 Aprily

Hira 4 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

1. “I Jehovah no Mpiandry Ahy”

(10 min.)

Mitarika antsika i Jehovah (Sl 23:1-3; w11 1/5 31 § 3)

Miaro antsika i Jehovah (Sl 23:4; w11 1/5 31 § 4)

Manome sakafo antsika i Jehovah (Sl 23:5; w11 1/5 31 § 5)

Mikarakara ny mpanompony i Jehovah hoatran’ny ataon’ny mpiandry be fitiavana mikarakara ny ondriny.

SAINTSAINO IZAO: ‘Ahoana no nikarakaran’i Jehovah an’ahy?’

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

  • Sl 23:3: Inona no atao hoe “lalan’ny fahamarinana”, ary inona no hanampy antsika tsy hiala amin’izy io mihitsy? (w11 15/2 24 § 1-3)

  • Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

3. Famakiana Baiboly

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(3 min.) TSY ARA-POTOANA. Amakio andinin-teny iray mampahery ny olona iray milaza aminao hoe manahy momba ny tontolo iainana izy. (lmd lesona 2, hevitra 5)

5. Rehefa Miverina Mitsidika

(4 min.) ISAN-TRANO. Asehoy amin’ny olona anankiray nandray an’ilay bokikely hoe Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! ny fomba fianarana Baiboly. (lmd lesona 9, hevitra 3)

6. Rehefa Mampianatra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 54

7. Tsy Mihaino Feon’olon-tsy Fantatra Isika

(15 min.) Fiaraha-midinika.

Mahafantatra ny feon’ny mpiandry azy ny ondry dia manaraka azy, fa andosirany kosa ny olona tsy fantany satria tsy fantatr’izy ireo ny feony. (Jn 10:5) Hoatr’izany koa fa mihaino an’ireo Mpiandry antsika be fitiavana sy azo itokisana isika, dia i Jehovah sy Jesosy. (Sl 23:1; Jn 10:11) Tsy henointsika kosa ny feon’ny olona tsy fantatsika, izay mitady hampihena ny finoantsika amin’ny alalan’ny “teny mamitaka.”​—2Pe 2:1, 3.

Tantarain’ny Genesisy toko faha-​3 ny nahenoana voalohany feon’olon-tsy fantatra teto an-tany. Namitaka an’i Eva i Satana rehefa tsy nilaza taminy hoe iza izy. Mody niseho ho naman’i Eva izy dia nilaza hoe mandainga i Jehovah sady ratsy toetra. Nampalahelo fa nihaino azy i Eva, dia nahita faisana izy sy ny fianakaviany.

Ataon’i Satana izay hahatonga antsika hisalasala momba an’i Jehovah sy ny fandaminany, ka mampiasa olona mba hanaratsiratsy antsika, na hanamboamboatra ny tena marina, na handainga an-kitsirano. Tokony handositra isika rehefa maheno feon’olon-tsy fantatra. Hahita loza isika raha mihaino na dia kely fotsiny aza satria hoe te hahafanta-javatra. Tsy nila niteny betsaka akory i Satana dia efa nahavoafitaka an’i Eva, tamin’ilay resadresaka fohy nifanaovan-dry zareo. (Ge 3:1, 4, 5) Ahoana indray anefa raha olona fantatsika, izany hoe olona tia antsika sy mieritreritra ny hanampy antsika, no manaratsiratsy ny fandaminan’i Jehovah?

Alefaso ilay VIDEO hoe Aza Mihaino Feon’olona Tsy Fantatra. Iaraho midinika ity fanontaniana ity avy eo:

Inona no ianaranao avy amin’ny nataon’i Sendra rehefa nitady hampiseho azy zavatra manaratsiratsy ny fandaminan’i Jehovah ny mamany?

8. Fianarana Baiboly

(30 min.) rr fizarana 3, toko 8 § 1-7, video fampidirana

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 44 sy Vavaka