Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

18-24 Martsa

SALAMO 19-21

18-24 Martsa

Hira 6 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

1. “Ny Lanitra Manambara ny Voninahitr’Andriamanitra”

(10 min.)

Manambara ny voninahitr’i Jehovah ny zavaboary (Sl 19:1; w04 1/1 8 § 1-2)

Zavaboary mahavariana ny masoandro (Sl 19:4-6; w04 1/6 11 § 8-10)

Tokony handinika ny zavaboary isika, dia hiana-javatra avy amin’ireny (Mt 6:28; km 3/12 3 § 4)


AZO ATAO FOTOAM-PIVAVAHAN’NY FIANAKAVIANA: Miaraha mandinika zavaboary. Resaho avy eo hoe inona no ianaranareo momba an’i Jehovah avy amin’ilay izy.

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

  • Sl 19:7-9: Lafiny anankiray mampiavaka ny tononkalo hebreo ilay antsoina hoe hevitra mifameno. Ahoana no ahitana an’izany ao amin’ireo andininy ireo? (it “Hebreo, II”: “Tononkalo hebreo” § 8-9)

  • Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

3. Famakiana Baiboly

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(3 min.) AMPAHIBEMASO. Omeo fanasana Fahatsiarovana ny olona anankiray, dia atoroy azy ao amin’ny tranonkala jw.org hoe aiza ny toerana hanaovana Fahatsiarovana akaiky azy indrindra. (lmd lesona 2, hevitra 3)

5. Miresadresaha Aloha

(4 min.) TSY ARA-POTOANA. Tonga manatrika Fahatsiarovana ny olona iray, satria nisy nametraka taratasy fanasana teo am-baravarany. Raiso tsara izy, dia mifanaova fotoana aminy mba hamaliana ny fanontaniany. (lmd lesona 3, hevitra 4)

6. Hazavao ny Zavatra Inoanao

(5 min.) Lahateny. ijwfq 45: Foto-kevitra: Nahoana no Tsy Mitovy Amin’ny An’ny Fivavahana Hafa ny Fomba Ankalazan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Sakafo Harivan’ny Tompo? (th lesona 6)

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 141

7. Diniho ny Zavaboary dia Hatanjaka ny Finoanao

(15 min.) Fiaraha-midinika. Alefaso ilay VIDEO. Iaraho midinika ity fanontaniana ity avy eo:

Nahoana ny fandinihana zavaboary no manatanjaka ny finoanao hoe misy ny Mpamorona?

8. Fianarana Baiboly

(30 min.) rr toko 7 § 16-23

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 129 sy Vavaka