Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

29 Aprily–5 Mey

SALAMO 34-35

29 Aprily–5 Mey

Hira 10 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

1. ‘Miderà An’i Jehovah Foana’

(10 min.)

Mbola nidera an’i Jehovah foana i Davida na dia niatrika zava-tsarotra aza (Sl 34:1; w07 1/3 22 § 11)

I Jehovah no reharehan’i Davida fa tsy ny tenany (Sl 34:2-4; w07 1/3 22 § 13)

Nanatanjaka ny finoan’ny namany i Davida rehefa nidera an’i Jehovah (Sl 34:5; w07 1/3 23 § 15)

Rehefa niala tany amin’i Abimeleka i Davida, dia nisy 400 lahy tsy faly tamin’ny fitondran’i Saoly nanaraka an’i Davida tany an-tany efitra. (1Sa 22:1, 2) Mety ho ireo lehilahy ireo no tao an-tsain’i Davida rehefa nanoratra an’io salamo io izy.​—Sl 34, teny mampiditra azy.

SAINTSAINO IZAO: ‘Ahoana no hiderako an’i Jehovah rehefa miresaka amin’ny olona aho amin’ny fivoriana manaraka?’

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

  • Sl 35:19: Inona no dikan’ilay fangatahan’i Davida tamin’i Jehovah hoe ‘aza avela hifanao pimaso ireo mankahala ahy’? (w06 15/5 20 § 2)

  • Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

3. Famakiana Baiboly

(4 min.) Sl 34:1-22 (th lesona 5)

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(2 min.) TSY ARA-POTOANA. Tapaka ilay resaka dia tsy afaka nitory akory ianao. (lmd lesona 1, hevitra 4)

5. Rehefa Miverina Mitsidika

(4 min.) TSY ARA-POTOANA. (lmd lesona 2, hevitra 4)

6. Hazavao ny Zavatra Inoanao

(5 min.) Fampisehoana. ijwfq 59: Foto-kevitra: Ahoana no Ahafantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah hoe Azo Atao sa Tsia ny Fety Iray? (th lesona 17)

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 59

7. Fomba Telo Iderana An’i Jehovah any Am-pivoriana

(15 min.) Fiaraha-midinika.

Afaka midera tsara an’i Jehovah isika any am-pivoriana. Ireto misy fomba telo azo anaovana an’izany:

Rehefa mifampiresaka: Resaho amin’ny hafa hoe tena tsara toetra i Jehovah. (Sl 145:1, 7) Inona ny hevitra nahasoa anao tamin’izay henonao na novakinao? Nisy zavatra nahafinaritra anao ve teny amin’ny fanompoana? Misy teny na zavatra nataon’ny hafa nampahery anao ve? Nisy zavaboary tena nahavariana anao ve? Fanomezana avy amin’i Jehovah daholo ireny. (Jk 1:17) Miezaha ho tonga aloha mba ho afaka hifampiresaka amin’ny hafa.

Rehefa manome valin-teny: Miezaha hanome valin-teny anankiray, fara fahakeliny, isaky ny fivoriana. (Sl 26:12) Afaka mamaly mivantana an’ilay fanontaniana ianao, na miresaka hevitra hafa ao amin’ilay fehintsoratra, na manazava andinin-teny, na manazava sary, na miresaka fomba hampiharana an’ilay fianarana. Manomàna valin-teny maromaro satria mety hisy olon-kafa hiara-manangan-tanana aminao. Ho betsaka kokoa no ho afaka hanao “sorona fiderana ho an’Andriamanitra” raha ataontsika 30 segondra na latsaka ny valin-tenintsika.​—He 13:15.

Rehefa mihira: Mihirà amin’ny fo. (Sl 147:1) Mety tsy ho afaka hanome valin-teny isaky ny fivoriana ianao, indrindra raha any amin’ny fiangonana lehibe. Afaka mihira foana anefa ianao. Na dia mieritreritra aza ianao hoe tsy mahay mihira, dia ho faly i Jehovah rehefa mihira amin’ny fo ianao. (2Ko 8:12) Rehefa manomana fivoriana ianao, dia omano koa ny hira.

Alefaso ilay VIDEO hoe Mitohy ny Tantarantsika: Ny Hira (Fizarana 1). Iaraho midinika amin’ny mpanatrika ity fanontaniana ity avy eo:

Rehefa jerena ny fiandohan’ny tantaran’ny fandaminan’i Jehovah amin’ny andro ankehitriny, dia ahoana no ahitana hoe zava-dehibe tamintsika ny hira fiderana an’i Jehovah?

8. Fianarana Baiboly

(30 min.) rr toko 9 § 1-9, video fampidirana

Teny Famaranana (3 min.) | Hira Vaovao Amin’ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra 2024 sy Vavaka