Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

4-10 Martsa

SALAMO 16-17

4-10 Martsa

Hira 111 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

1. “Avy Aminao [Jehovah] ny Zavatra Tsara Rehetra Ananako”

(10 min.)

Mahafinaritra antsika ny minamana amin’ny olona manompo an’i Jehovah (Sl 16:2, 3; w18.12 26 § 11)

Mahafa-po antsika ny mifandray tsara amin’i Jehovah (Sl 16:5, 6; w14 15/2 29 § 4)

Tsy manana ahiahy isika satria arovan’i Jehovah ny fifandraisantsika aminy (Sl 16:8, 9; w08 15/2 3 § 2-3)

Avy amin’i Jehovah ny zavatra tsara rehetra ananantsika, hoatran’ny tamin’i Davida ihany. Lasa misy dikany ny fiainantsika satria ny fanompoana an’i Jehovah no zava-dehibe indrindra amintsika.

SAINTSAINO IZAO: ‘Mahatsapa ve aho hoe tsara kokoa noho ny tamin’izaho mbola tsy nahalala ny fahamarinana ny fiainako amin’izao?’

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

  • Sl 17:8: Inona no dikan’ilay teny hoe ‘anakandriamaso’? (it “Anakandriamaso” § 2-3)

  • Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

3. Famakiana Baiboly

(4 min.) Sl 17:1-15 (th lesona 5)

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(1 min.) ISAN-TRANO. Omeo fanasana Fahatsiarovana ilay olona. (th lesona 11)

5. Miresadresaha Aloha

(3 min.) ISAN-TRANO. Omeo fanasana Fahatsiarovana ilay olona. Raha liana ilay olona, dia asehoy azy ilay video hoe Tsarovy ny Nahafatesan’i Jesosy, ary iaraho midinika ilay izy avy eo. (th lesona 9)

6. Miresadresaha Aloha

(2 min.) TSY ARA-POTOANA. Omeo fanasana Fahatsiarovana ilay olona. (th lesona 2)

7. Rehefa Mampianatra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 20

8. Ahoana no Hiomanantsika ho Amin’ny Fahatsiarovana?

(15 min.) Fiaraha-midinika.

Te hankatò ny didin’i Jesosy isika, dia hankalaza ny Fahatsiarovana ny nahafatesany amin’ny alahady 24 Martsa. Ny nahafatesan’i Jesosy mantsy no manaporofo hoe tsy misy tia antsika hoatran’i Jehovah sy Jesosy. (Lk 22:19; Jn 3:16; 15:13) Ahoana no hiomanantsika ho amin’io fotoan-dehibe io?

  • Mandraisa anjara betsaka araka izay azonao atao amin’ilay ezaka manokana mba hanasana ny olona hanatrika ny lahateny manokana sy ny Fahatsiarovana. Ataovy lisitra ny olona tianao hasaina, ary asao ry zareo. Raha misy amin’izy ireo tsy mipetraka ao amin’ny faritaninareo, dia jereo ao amin’ny jw.org ny ora sy ny toerana hanaovana ny fivoriana any amin-dry zareo

  • Ampitomboy ny fanompoanao mandritra ny volana Martsa sy Aprily. Afaka manao mpisava lalana mpanampy ve ianao, ka hanatratra 15 na 30 ora?

  • Manomboka amin’ny 18 Martsa, dia vakio ny fitantarana momba ny zava-nitranga lehibe nandritra ny herinandro farany niainan’i Jesosy teto an-tany. Misy fandaharana famakiana Baiboly ho amin’ny Fahatsiarovana eo amin’ny pejy 6, 7 dia anjaran’ny tsirairay ny mifidy hoe inona amin’ireo fitantarana ireo no vakiny isan’andro

  • Jereo ilay Fotoam-pivavahana Maraina manokana ao amin’ny jw.org, amin’ny andron’ny Fahatsiarovana

  • Raiso tsara ireo vaovao sy ireo tsy mitory intsony izay tonga manatrika Fahatsiarovana. Miresaha amin-dry zareo rehefa mirava sao misy tiany hanontaniana. Manaova fotoana aminy mba hitsidihana azy raha tiany ny hianatra bebe kokoa

  • Miezaha hisaintsaina momba ny vidim-panavotana, aloha sy aorian’ny Fahatsiarovana

Alefaso ilay VIDEO hoe Tsarovy ny Nahafatesan’i Jesosy. Iaraho midinika ity fanontaniana ity avy eo:

Ahoana no azontsika ampiasana an’io video io mandritra ny ezaka manokana hizarana fanasana?

9. Fianarana Baiboly

(30 min.) rr toko 7 § 1-7, video fampidirana

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 126 sy Vavaka