8-14 Aprily
SALAMO 26-28
Hira 34 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)
1. Tapa-kevitra ny Tsy Hivadika i Davida
(10 min.)
Nangataka tamin’i Jehovah i Davida mba hanampy azy ho lasa tsara toetra kokoa (Sl 26:1, 2; w04 1/12 14 § 8-9)
Tsy niaraka tamin’ny naman-dratsy i Davida (Sl 26:4, 5; w04 1/12 15 § 12-13)
Nahafinaritra an’i Davida ny nanompo an’i Jehovah (Sl 26:8; w04 1/12 16 § 17-18)
Na dia nanao fahadisoana aza i Davida, dia nanompo an’i Jehovah ‘tamin’ny fony manontolo.’ (1Mp 9:4) Tia an’i Jehovah sy nifikitra mafy taminy i Davida, dia nasehony tamin’izany hoe tsy nivadika izy.
2. Vatosoa Ara-panahy
(10 min.)
-
Sl 27:10: Raha mahafoy antsika ny namantsika akaiky, nahoana io andininy io no mampahery antsika? (w06 15/7 28 § 15)
-
Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?
3. Famakiana Baiboly
(4 min.) Sl 27:1-14 (th lesona 2)
4. Miresadresaha Aloha
(2 min.) ISAN-TRANO. Mampiasà taratasy mivalona anisan’ny Fitaovana Fampianarana. (th lesona 3)
5. Rehefa Miverina Mitsidika
(4 min.) ISAN-TRANO. Iaraho midinika amin’ilay olona nitorianao ilay fanontaniana ao amin’ny pejy farany amin’ilay taratasy mivalona nomenao azy. Sokafy ny jw.org, dia asehoy an’ilay olona ny zavatra mety ho hitany ao. (lmd lesona 9, hevitra 3)
6. Lahateny
(5 min.) lmd Fanazavana Fanampiny A, hevitra 3: Foto-kevitra: Hiverina Amin’ny Laoniny ny Tontolo Iainana dia ho Lasa Paradisa ny Tany. (th lesona 13)
Hira 128
7. Tanora Miezaka ny Hadio Fitondran-tena Foana
(15 min.) Fiaraha-midinika.
Mila miady mafy ny tanora kristianina mba tsy haloto fitondran-tena, satria tsy lavorary. Miady mafy koa izy ireo mba hadio fitondran-tena foana mandritra an’ilay “fotoana fivelaran’ny fahatanorana”, izany hoe mbola mahery be ny faniriana hanao firaisana dia sarotra aminy ny misaina tsara. (Ro 7:21; 1Ko 7:36) Tsy maintsy miady mafy foana koa ry zareo mba tsy ho voataona hanao firaisana, na amin’ny vehivavy raha lehilahy izy, na amin’ny lehilahy hoatr’azy ihany. (Ef 2:2) Faly isika manana an’ireo tanora tsy mivadika amin’i Jehovah mihitsy.
Alefaso ilay VIDEO hoe Ny Fiainanay Tanora: Inona no Hataoko mba Tsy ho Voataonan’ny Ankizy Hanao Firaisana Aho? Iaraho midinika ireto fanontaniana ireto avy eo:
-
Notaomin’ny mpiara-mianatra taminy hanao inona i Cory sy Kamryn?
-
Inona no nanampy azy mianadahy tsy hivadika amin’i Jehovah mihitsy?
-
Inona avy no torolalan’ny Baiboly afaka manampy anao raha taomin’ny olona hanao firaisana koa ianao?
8. Fianarana Baiboly
(30 min.) rr toko 8 § 8-15, efajoro 8A