Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Ahoana avy no Azo Ampiasana ny JW Library?

Ahoana avy no Azo Ampiasana ny JW Library?

REHEFA MIANATRA:

  • Vakio ny Baiboly sy ny andinin-teny ho an’ny andro

  • Vakio ny Diary sy ny boky ary gazety. Ampiasao ilay marika mba hitadidiana hoe taiza no novakinao farany

  • Omano ny fivorian’ny fiangonana, ary lokoy ny valiny

  • Jereo ireo video

REHEFA MIVORY:

  • Jereo izay andinin-teny resahin’ny mpandahateny. Mbola voatahiry ao amin’ilay programa izay andinin-teny nojerenao faramparany, ka azonao iverenana jerena

  • Tsy voatery hitondra boky sy gazety be dia be ianao any am-pivoriana. Afaka manaraka tsara ny fandaharana sy mihira anefa ianao. Mbola tsy tafiditra ao amin’ny fihiranantsika ireo hira vaovao, nefa efa misy ao amin’ny JW Library

REHEFA MANOMPO:

  • Ampisehoy zavatra ao amin’ny JW Library ny olona liana. Ampio koa izy handika an’ilay programa ao amin’ny fitaovana elektronika, ary haka boky sy gazety na video

  • Ampiasao ilay fanaovana fikarohana raha te hitady andinin-teny ianao

  • Ampisehoy video ny olona itoriana. Raha manan-janaka, ohatra, izy, dia mandefasa video ao amin’ilay hoe Ataovy Namanao i Jehovah. Azonao aseho koa ilay video hoe Nahoana Ianao no Tokony Hianatra Baiboly? mba hampirisihina azy hianatra. Raha hafa ny fitenin’ilay olona, dia video amin’ny fiteniny alefa

  • Raha mampiasa fiteny hafa ilay olona itorianao, dia Baiboly amin’ny fiteniny aseho azy. Adikao avy ao amin’ny JW Library anefa aloha ilay izy. Tadiavo izay toko sy andininy tianao hojerena, ary tsindrio avy eo ilay fijerena fiteny hafa