Faly i Jehovah Rehefa Mivavaka ho An’ny Hafa Isika
Nasain’i Jehovah nivavaka ho an’i Elifaza sy Bildada ary Zofara i Joba
-
Nasain’i Jehovah nandeha tany amin’i Joba i Elifaza sy Bildada ary Zofara, ary tsy maintsy nanao fanatitra dorana
-
Nasain’i Jehovah nivavaka ho azy ireo i Joba
-
Notahin’i Jehovah i Joba rehefa avy nivavaka ho azy ireo
Nomen’i Jehovah fitahiana be dia be i Joba satria nanam-pinoana sy nahavita niaritra
-
Nataon’i Jehovah salama tsara indray i Joba, ka tsy nijaly intsony
-
Nampahery an’i Joba ny havany sy ny namany, satria nalahelo azy noho ny fahoriana nahazo an’azy
-
Nataon’i Jehovah nanan-karena be indray i Joba, ary avo roa heny noho izay nafoiny teo aloha izany
-
Lasa nanan-janaka folo indray i Joba sy ny vadiny
-
Mbola velona 140 taona i Joba taorian’izay, sady nahita ny zanaky ny zafiafiny