NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Efa Mampiasa JW Library ve ianao?
Programa maimaim-poana ny JW Library, ary azo atao ao anaty telefaonina, tablette, na ordinatera. Azonao atao ny maka Baiboly, boky, bokikely, gazety, video, ary zavatra noraisim-peo, amin’ny alalan’izy io.
AHOANA NO AHAZOANA AN’ILAY IZY? Mampiasà Internet, ary midira ao amin’ilay toerana fakana programa, ka alaivo ny JW Library. Azo alefa amin’ny fitaovana isan-karazany io programa io. Rehefa azonao ilay programa, dia afaka maka boky na gazety na video ianao, raha mandeha ny Internet. Midira fotsiny ao amin’ny JW Library, ary fidio izay tianao hampidirina amin’ny fitaovana elektronika. Mandehana any amin’izay toerana mety hisy Internet, ohatra hoe any amin’ny cyber, na Efitrano Fanjakana, na trano famakiam-boky, raha tsy manana ianao ao an-trano. Tsy mila Internet intsony ianao rehefa tafiditra ao amin’ny fitaovana elektronika izay boky na gazety nalainao. Misy zava-baovao foana anefa ao amin’ny JW Library, ka mila mampiasa Internet matetika ianao raha te hahazo azy ireny.
INONA NO MAHA TSARA AN’ILAY IZY? Tena manampy be izy io any am-pivoriana sy rehefa mianatra samirery. Ilaina eny amin’ny fanompoana koa izy io, indrindra rehefa mitory tsy ara-potoana.