Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA | TE HO FALY KOKOA VE IANAO REHEFA MANOMPO?

Mampiasà Fanoharana mba Hanasongadinana Hevi-dehibe

Mampiasà Fanoharana mba Hanasongadinana Hevi-dehibe

Tokony hampiantsika hahazo ny hevi-dehibe ny olona tsidihintsika na ampianarintsika Baiboly. Raha mampiasa fanoharana isika mba hanaovana an’izany, dia hanohina ny fony ilay fampianarana sady ho mora tadidy.

Ny hevi-dehibe ihany no tokony hanaovana fanoharana fa tsy ny tsipiriany madinika. Fidio àry izay hevi-dehibe tianao hanaovana fanoharana, rehefa manomana fiverenana mitsidika na fampianarana ianao. Avy eo dia mifidiana fanoharana tsotra sy fahita andavanandro. (Mt 5:14-16; Mr 2:21; Lk 14:7-11) Eritrereto ny zavatra iainan’ilay olona sy ny fanaony. (Lk 5:2-11; Jn 4:7-15) Azo antoka hoe ho faly izy rehefa azony tsara ny hevi-dehibe. Tena ho faly koa ianao rehefa mahita an’izany.

JEREO ILAY VIDEO HOE MAHAFALY NY MANAO MPIANATRA: HATSARAO NY FAHAIZANAO... MAMPIASA FANOHARANA MBA HANASONGADINANA HEVI-DEHIBE. VALIO IRETO AVY EO:

  • Nahoana indraindray no mila hazavaina amin’ny mpianatra Baiboly ny andinin-teny sasany?

  • Inona ny fanoharana nampiasain’i Nita mba hanazavana ny Romanina 5:12?

  • Manohina ny fo ny fanoharana mety tsara

    Inona no ho vokany raha mety tsara ny fanoharana ampiasaintsika?

  • Nahoana isika no tokony hampiasa video na fitaovana hafa navoakan’ny fandaminana, rehefa manompo?