HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA
“Roahy ... ny Mponina Rehetra ao Amin’ilay Tany”
Nasain’i Jehovah nesorina tao amin’ny Tany Nampanantenaina izay rehetra mety hahatonga ny vahoakany hivadika aminy (No 33:52; w10 1/8 23)
Nampanantena i Jehovah fa hitahy ny Israelita izy, rehefa miezaka maka an’ilay tany izy ireo (No 33:53)
Hahita olana ny Israelita, raha tsy aringan’izy ireo tanteraka ny fahavalony (No 33:55, 56; w08 15/2 27 § 5-6; it “Kanana”: “Azon’ny Israelita i Kanana” § 12)
Raha te hampifaly an’i Jehovah isika, dia tokony hajanontsika izay zavatra mety hahatonga antsika haloto fitondran-tena na hanimba ny fifandraisantsika aminy. (Jk 1:21) Homen’i Jehovah hery isika, mba handresentsika ny fanirian-dratsy sy ny fitaoman’ity tontolo ity.