Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

“Izay Tian’i Jehovah no Faiziny”

“Izay Tian’i Jehovah no Faiziny”

Ny hoe manafay dia mifandray amin’ny hoe mananatra, mampianatra, manabe, manitsy, ary manasazy. Manafay antsika i Jehovah, satria tiany hanompo azy araka ny tokony ho izy isika. (Ro 12:1; He 12:10, 11) Mety ho mafy amintsika indraindray ny hoe anarina. Mahatonga antsika hanao ny marina sy hahazo fitahiana anefa izany. (Oh 10:7) Inona no tokony hotadidin’ireo mananatra sy ireo anarina?

Ilay mananatra. Mety ho anti-panahy, ray aman-dreny, na olon-kafa izany. Miezaka mafy izy ireo mba ho tsara fanahy sy ho be fitiavana hoatran’i Jehovah rehefa mananatra. (Je 46:28) Na mafy be aza ilay famaizana omena, dia tokony hifanaraka amin’ny zava-misy. Ny fitiavana koa no tokony ho antony anomezana azy.—Tit 1:13.

Ilay anarina. Na inona na inona fananarana na famaizana omena antsika, dia tsy tokony handa an’izany isika fa hiezaka hampihatra avy hatrany. (Oh 3:11, 12) Tsy lavorary isika ka mila fananarana daholo. Mety hiseho amin’ny endriny samihafa ilay izy, ohatra hoe avy amin’ny zavatra novakintsika tao amin’ny Baiboly, na rentsika tany am-pivoriana, na avy amin’ny komity mpitsara. Raha manaiky anarina isika, dia hihatsara ny fiainantsika ary hiaina mandrakizay isika.—Oh 10:17.

JEREO ILAY VIDEO HOE “IZAY TIAN’I JEHOVAH NO FAIZINY.” VALIO IRETO AVY EO:

  • Nanao ahoana ny fiainan’ny Rahalahy Canon tamin’ny voalohany, nefa nanao ahoana tatỳ aoriana?

  • Inona no fanampiana azony tamin’ny alalan’ny anti-panahy?

  • Miezaha ho tia ny famaizana avy amin’i Jehovah

    Inona no ianarantsika avy amin’ny tantarany?