Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIANANTSIKA KRISTIANINA

Miezaha ho Vonona Foana Mandritra ny Tapany Farany Amin’ny “Andro Farany”

Miezaha ho Vonona Foana Mandritra ny Tapany Farany Amin’ny “Andro Farany”

Miaina amin’ny tapany farany amin’ny “andro farany” isika, ka azo antoka hoe vao mainka hihamafy ny loza. (2Ti 3:1; Mt 24:8) Matetika ny vahoakan’i Jehovah no mahazo toromarika ara-potoana sy mamonjy aina, rehefa mitranga ny loza. Raha te hamonjy ny aintsika àry isika amin’izay, dia mila manomana ny zavatra ilaintsika dieny izao ary miomana eo amin’ny lafiny ara-panahy.—Lk 16:10.

  • Miomàna eo amin’ny lafiny ara-panahy: Manàna fahazarana tsara. Mianara karazana fanompoana samihafa. Aza matahotra na dia tafasaraka vetivety amin’ny fiangonana aza ianao. (Is 30:15) Tsy ho tafasaraka amin’i Jehovah sy Jesosy mihitsy ianao.—od 175-176 § 15-17

  • Omano izay ilainao: Ankoatra ny kitapo misy ny zavatra tena ilaina, dia tsara koa raha manana tahirina sakafo, rano, fanafody, sy ny toy izany ny tokantrano tsirairay. Tena ilaina izany raha tsy afaka mivoaka ny trano izy ireo mandritra ny fotoana lavalava.—Oh 22:3; g17.5 46

ALEFASO ILAY VIDEO HOE VONONA VE IANAO RAHA MISY LOZA ARAKA NY NATIORA MITRANGA? VALIO IRETO AVY EO:

  • Nahoana no tena ilaina ny mifandray akaiky amin’i Jehovah dieny mbola tsy mitranga ny loza?

  • Nahoana isika no tokony...

    • hifampiresaka tsara foana amin’ny anti-panahy?

    • hanomana kitapo misy ny zavatra tena ilaina?

    • handinika hoe inona avy ny loza mety hitranga, ary inona no azo atao amin’ny toe-javatra tsirairay?

  • Inona ny fomba telo azontsika anampiana an’ireo tra-boina?

SAINTSAINO IZAO: ‘Nahoana ny valanaretina COVID-19 no manampy ahy hahita hoe tena ilaina ny miomana?’