Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Fehezo ny Fanirianao

Fehezo ny Fanirianao

Tsy lavorary isika, dia tsy maintsy miady mafy foana mba hifehy ny faniriantsika. Ho tezitra amintsika i Jehovah raha manao izay tiantsika fotsiny isika. Misy, ohatra, te hisakafo foana na te hividy akanjo foana na tena te hanana trano, dia lasa ireo indray no tiany kokoa noho i Jehovah. Misy indray te hanao firaisana, dia tsy raharahiany ny lalàn’Andriamanitra momba an’izany. (Ro 1:26, 27) Ny hafa indray manaiky hotaomin’ny olona hanao ratsy, satria te ho naman-dry zareo.​—Ek 23:2.

Inona no hanampy antsika hifehy ny faniriantsika? Ny zavatra mampifaly an’i Jehovah foana no tsy maintsy eritreretintsika. (Mt 4:4) Mila miangavy an’i Jehovah koa isika mba hanampy antsika. Nahoana? Satria fantany izay tena mahasoa antsika. Izy koa no mahay hoe ahoana no hanatanterahana ny zavatra tsara irintsika.​—Sl 145:16.

JEREO ILAY VIDEO HOE AZA SIMBANA AMIN’NY SETROKA NY FIAINANAO ARY VALIO IRETO:

  • Nahoana ny olona sasany no mifoka sigara?

  • Inona no ho vokany raha mifoka sigara ianao?

  • Nahoana no ratsy ny mifoka sigara tsotra na sigara elektronika?​—2Ko 7:1

  • Ho vitanao ny tsy hifoka!

    Inona no hanampy anao tsy ho voataona hifoka sigara, ary inona no hanampy anao tsy hifoka intsony?