Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

“Ny Fitiavana ... Manantena ny Zava-drehetra”

“Ny Fitiavana ... Manantena ny Zava-drehetra”

Tena tiantsika ny mpiara-manompo amintsika, dia manantena foana isika hoe hanao zavatra tsara izy. (1Ko 13:4, 7) Raha nanarina, ohatra, ny rahalahy iray satria nanao fahotana, dia manantena isika hoe hanaiky hahitsy izy. Manam-paharetana amin’ireo malemy finoana koa isika, ary miezaka manampy azy ireo. (Ro 15:1) Raha nisy olona niala tamin’i Jehovah, dia manantena foana isika hoe mbola hiverina izy indray andro any.​—Lk 15:17, 18.

JEREO ILAY VIDEO HOE TADIDIO FA NY FITIAVANA ... MANANTENA NY ZAVA-DREHETRA. VALIO IRETO AVY EO:

  • Niova i Abnera. Inona no nataony?

  • Ahoana no namalian’i Davida ny fangatahan’i Abnera? Ary ahoana no nataon’i Joaba?

  • Nahoana isika no tokony hanantena foana hoe hanao zavatra tsara ny rahalahy sy anabavintsika?