Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

“Ny Fitiavana ... Tsy Mifaly Noho ny Tsy Fahamarinana”

“Ny Fitiavana ... Tsy Mifaly Noho ny Tsy Fahamarinana”

Ny fitiavana no mibaiko ny tena Kristianina amin’ny zavatra rehetra ataony. “Tsy mifaly noho ny tsy fahamarinana” ny fitiavana. (1Ko 13:4, 6) Tsy manao fialam-boly misy zavatra ratsy àry isika, ohatra hoe misy fitondran-tena ratsy sy herisetra. Tsy faly amin’ny fahavoazan’ny hafa koa isika, na dia nanao zavatra nampalahelo antsika aza ilay olona.​—Oh 17:5.

JEREO ILAY VIDEO HOE TADIDIO FA NY FITIAVANA ... TSY MIFALY NOHO NY TSY FAHAMARINANA. VALIO IRETO AVY EO:

  • Faly ve i Davida rehefa henony hoe maty i Saoly sy Jonatana? Hazavao.

  • Inona ilay hira noforonin’i Davida ho an’i Saoly sy Jonatana?

  • Nahoana i Davida no tsy faly rehefa maty i Saoly?