Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Ampiasao Ilay Boky hoe Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! mba Hanampiana ny Olona Hino An’i Jehovah sy Jesosy

Ampiasao Ilay Boky hoe Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! mba Hanampiana ny Olona Hino An’i Jehovah sy Jesosy

Tsy maintsy miezaka hanana finoana matanjaka ny mpianatra Baiboly raha te hampifaly an’Andriamanitra. (He 11:6) Azontsika ampiasaina ilay boky hoe Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! mba hanohinana ny fony. Ahitana an’ireto ao amin’io boky io: Andinin-teny manasongadina ny hevi-dehibe, fanazavana tsotra, fanontaniana mampisaintsaina, video manohina ny fo, ary sary tsara tarehy. Ampio ilay mpianatra mba hanana toetra tsara sy hifandray akaiky amin’i Jehovah. Toy ny hoe manorina trano amin’ny fitaovana tsy mety may isika raha manao an’izany.​—1Ko 3:12-15.

Sarotra amin’ny olona sasany ny hoe hinamana amin’Andriamanitra satria tsy hita maso izy. Mila ampiantsika hino izy ireny hoe be fitiavana i Jehovah.

JEREO ILAY VIDEO HOE AMPIO HINO AN’I JEHOVAH NY OLONA KA AMPIASAO NY BOKY “ANKAFIZO MANDRAKIZAY NY FIAINANA! VALIO IRETO AVY EO:

  • Inona no porofo hoe nanomana tsara ilay anabavy?

  • Nahay nametraka fanontaniana fanampiny izy mba hahatonga an’ilay mpianatra hilaza ny heviny, rehefa avy namaky ny Isaia 41:10, 13 ry zareo. Ahoana no nataony?

  • Inona no vokatr’ilay video sy ilay andinin-teny tamin’ilay mpianatra?

Be dia be ny olona tsy mahazo ny dikan’ny vidim-panavotana, na tsy mino hoe nataon’Andriamanitra ho azy mihitsy izy io. (Ga 2:20) Tsy maintsy ampiantsika àry izy ireny mba hino ny vidim-panavotan’i Jesosy.

JEREO ILAY VIDEO HOE AMPIO HINO AN’I JESOSY NY OLONA KA AMPIASAO NY BOKY “ANKAFIZO MANDRAKIZAY NY FIAINANA! VALIO IRETO AVY EO:

  • Inona no porofo hoe nanomana tsara ilay rahalahy?

  • Ahoana no nampiasany tsara lahatsoratra iray ao amin’ilay hoe “Jereo koa Ireto”, mba hanampiana an’ilay mpianatra?

  • Nahoana no tena mila mivavaka ilay mpianatra?