Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Efa Vonona ve Ianao Raha Misy Korontana any Aminareo?

Efa Vonona ve Ianao Raha Misy Korontana any Aminareo?

Efa tena akaiky ny faran’ity tontolo ity, ka efa ampoizintsika hoe hihamitombo ny korontana sy ny fampihorohoroana ary ny ady. (Ap 6:4) Inona no azontsika atao dieny izao mba ho vonona hiatrika an’izay olana mety hitranga isika?

  • Miomàna eo amin’ny lafiny ara-panahy: Mitadiava toro lalana na tantara ao amin’ny Baiboly hanampy anao hatoky kokoa an’i Jehovah sy ny fandaminany, sady hanampy anao tsy hanohana na iza na iza eto amin’ity tontolo ity. (Oh 12:5; jr 125-126 § 23-24) Dieny izao koa dia efa miezaha mba hinamana be amin’ny rahalahy sy anabavy ao amin’ny fiangonana.​—1Pe 4:7, 8

  • Omano izay ilainao: Eritrereto mialoha hoe aiza ho aiza ao an-trano ianao no hiafina raha sanatria tsy tafavoaka ao. Miezaha hitahiry an’izay zavatra tena ilaina, dia ataovy ampy tsara izany. Fantaro mialoha koa hoe ahoana no hivoahanao ny trano raha mila miala haingana ao ianao. Jereo indray hoe efa manana kitapo hasiana an’izay ilainao ve ianao, dia efa ao daholo ve izay zavatra tena ilaina. Asio gan-tanana sy arovava ary vola koa ao. Alaivo ny nomeraon-telefaonin’ny anti-panahy, dia omeo azy koa ny nomeraonao.​—Is 32:2; g17.5 3-7

Raha misy korontana, dia tohizo foana ny zavatra fanaonao mifandray amin’ny fanompoana an’i Jehovah. (Fi 1:10) Aza mandehandeha raha tsy hoe tena ilaina. (Mt 10:16) Zarao izay anananao, ohatra hoe sakafo.​—Ro 12:13.

JEREO ILAY VIDEO HOE VONONA VE IANAO RAHA MISY LOZA MITRANGA? ARY VALIO IRETO:

  • Ahoana no anampian’i Jehovah antsika ao anatin’ny fotoam-pahoriana?

  • Inona avy no azontsika atao mba ho vonona hiatrika an’izay mety hitranga isika?

  • Inona no azontsika atao mba hanampiana ny hafa rehefa iharan’ny loza izy ireo?