Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

“Ny Fitiavana ... Tsy Mieboebo”

“Ny Fitiavana ... Tsy Mieboebo”

Hanetry tena isika raha manana fitiavana. (1Ko 13:4) Raha tia an’ireo rahalahy sy anabavintsika isika, dia tsy hieritreritra hoe ambony noho izy ireo. Ny zavatra tsara ataony sy ny toetra tsarany no ifantohantsika, ary ampiasaintsika hanampiana azy ny fahaizantsika. (Fi 2:3, 4) Vao mainka isika hampiasain’i Jehovah mba hanao ny sitrapony raha manana an’izany karazana fitiavana izany.

JEREO ILAY VIDEO HOE TADIDIO FA NY FITIAVANA... TSY MIEBOEBO. VALIO IRETO AVY EO:

  • Inona avy no nampiavaka an’i Absaloma?

  • Tsy nampiasain’i Absaloma hanaovana zavatra tsara izany. Inona no nataony?

  • Inona no tokony hataontsika mba tsy hieboebo isika?​—Ga 5:26