Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Miresaha Zava-nitranga Tato ho ato Rehefa Manompo

Miresaha Zava-nitranga Tato ho ato Rehefa Manompo

Niresaka zava-nitranga vao haingana i Jesosy, mba hampianarana ny olona nitoriany. (Lk 13:1-5) Afaka miresaka an’izay zava-nitranga tato ho ato koa ianao rehefa mitory, mba hahatonga ny olona ho liana amin’ny hafatra momba ilay Fanjakana. Anisan’izany ny hoe misondrotra be ny vidim-piainana, na hoe nisy loza araka ny natiora na korontana na olona nampiasa zava-mahadomelina. Mametraha fanontaniana mampisaintsaina avy eo, ohatra hoe: “Araka ny hevitrao, tsy hisy intsony ve izany indray andro any?” na “Inona no hitanao hoe vahaolana amin’izany?” Mamakia andinin-teny mifandray amin’ilay foto-kevitra avy eo. Raha liana ilay olona, dia mampisehoa video na manolora boky na gazety ao amin’ny Fitaovana Fampianarana. Enga anie isika hahay hanohina ny fon’ny olona ao amin’ny faritanintsika. Hataontsika “noho ny vaovao tsara ny zava-drehetra.”​—1Ko 9:22, 23.

Inona no foto-kevitra mety hahaliana ny olona ao amin’ny faritaninareo?