Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Manàna ny Fomba Fijerin’i Jehovah Rehefa Mijery ny Tenanao Ianao

Manàna ny Fomba Fijerin’i Jehovah Rehefa Mijery ny Tenanao Ianao

“Mahafinaritra an’i Jehovah ny vahoakany.” (Sl 149:4) Hitany ny toetra tsarantsika sy izay mety ho vitantsika, na dia tsy lavorary aza isika. Mety ho sarotra amintsika anefa ny mahita an’izany indraindray. Mety hahatsiaro tena ho tsy misy dikany isika noho ny fomba itondran’ny olon-kafa antsika. Na raha mifantoka amin’ny fahadisoana nataontsika tamin’ny lasa isika, dia mety hisalasala raha mbola tena tia antsika i Jehovah. Inona no hanampy antsika raha manana fihetseham-po hoatr’izany isika?

Tadidio fa lalina kokoa ny zavatra hitan’i Jehovah raha oharina amin’ny hitan’ny olona. (1Sa 16:7) Midika izany fa mihoatra noho izay hitantsika mihitsy no hitany rehefa mandinika antsika izy. Soa ihany fa manampy antsika hahatakatra ny fomba fijerin’i Jehovah antsika ny Baiboly. Misy andinin-teny sy tantara ao mampiseho hoe tena tiany ny mpanompony.

JEREO ILAY VIDEO HOE RESEO LAHATRA EO ANATREHAN’I JEHOVAH NY FONAO, ARY VALIO IRETO:

  • Hoatran’ny ahoana ny fomba fahitan’i Jehovah antsika, raha jerena ilay fanoharana momba an’ilay ankizilahy nanao hazakazaka sy ny dadany?

  • Raha efa nanao ny dingana ilaina mba hamerenana amin’ny laoniny ny fifandraisana amin’i Jehovah ny olona iray nanao fahotana lehibe, dia inona no azony atao mba hanomezana toky ny fony hoe tian’Andriamanitra izy?​—1Jn 3:19, 20

  • Inona ny soa noraisin’ilay rahalahy rehefa namaky sy nisaintsaina ny tantaran’i Davida sy Josafata izy?