Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Mitandrema Amin’ny Mpivadi-pinoana

Mitandrema Amin’ny Mpivadi-pinoana

Matetika no afangaron’i Satana sy ny mpanara-dia azy amin’ny lainga ny fahamarinana, mba hampihenana ny finoantsika. (2Ko 11:3) Nisy fotoana, ohatra, ny Asyrianina nanamboamboatra ny tena marina sy nandainga an-kitsirano mba hanakiviana ny vahoakan’i Jehovah. (2Ta 32:10-15) Manao hoatr’izany koa ny mpivadi-pinoana amin’izao. Ahoana no tokony hataontsika rehefa sendra fampianaran’ny mpivadi-pinoana? Poizina izy ireny ka aza vakina mihitsy, na valiana, na resahina amin’ny hafa. Tokony ho mailaka isika hamantatra an’izay fanazavana mahatonga antsika hisalasala momba an’i Jehovah sy ny fandaminany, dia hanalavitra an’ilay izy.​—Jd 3, 4.

JEREO ILAY VIDEO HOE ‘MIADIA MAFY HIARO NY FINOANA’​—AMPAHANY, ARY VALIO IRETO:

  • Nahoana isika no mila mitandrina rehefa mandray anjara amin’ny resadresaka ao amin’ny Internet?

  • Ahoana no azontsika ampiharana an’ilay torohevitra ao amin’ny Romanina 16:17?