Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Mampiasa Tsara ny Baiboly Noraisim-peo ve Ianao?

Mampiasa Tsara ny Baiboly Noraisim-peo ve Ianao?

Raisina feo ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina, dia avoaka tsikelikely ao amin’ny jw.org na ao amin’ny JW Library®, amin’ny fiteny betsaka araka izay azo atao. Anisan’ny mampiavaka azy io ny hoe misy feo samihafa arakaraka ny olona miteny. Marina tsara ny fomba amoahana ny hafatra ao amin’ny Baiboly amin’ilay izy, satria mety tsara ny fomba amakiana azy sady mivoaka tsara ny fihetseham-po.

Inona no itiavan’ny olona sasany an’ilay Baiboly noraisim-peo? Maro amin’ireo mihaino azy io tsy tapaka no miteny hoe lasa velombelona ny tantara ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Azon-dry zareo an-tsaina be ilay tantara sady mazava aminy kokoa satria misy feo samihafa arakaraka ny olona miteny. (Oh 4:5) Betsaka koa no miteny hoe mampitony azy ny mihaino an’ilay raki-peo rehefa mitebiteby izy.​—Sl 94:19.

Rehefa vakina amintsika ny Tenin’Andriamanitra dia mety hisy vokany be eo amin’ny fiainantsika izany. (2Ta 34:19-21) Misy amin’ny fiteny azonao ve ny Baiboly noraisim-peo na ny ampahany aminy? Maninona raha manokana fotoana mba hihainoana azy io tsy tapaka?

JEREO ILAY VIDEO HOE FAMOKARANA BAIBOLY NORAISIM-PEO​—AMPAHANY, ARY VALIO ITY:

Inona no mampiaiky anao amin’ny famokarana Baiboly noraisim-peo?