Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Te Hahay Hanombo-dresaka ve Ianao?

Te Hahay Hanombo-dresaka ve Ianao?

Anisan’ny fomba mahafinaritra sady mandaitra indrindra iresahana ny vaovao tsara ny fitoriana tsy ara-potoana. Mety hatahotra be anefa ianao hanombo-dresaka raha mifantoka be loatra amin’ny hoe ahoana no hampidirana an’ilay resaka Baiboly. Aza mifantoka be amin’izay zavatra holazainao, fa mitadiava hevitra hampisehoana hoe miahy an’ilay olona ianao. (Mt 22:39; Fi 2:4) Rehefa mandeha eo ilay resadresaka ka mahita hirika hitoriana ianao, dia be dia be ny fitaovana azonao ampiasaina.

Ahoana no azonao ampiasana an’ireto fitaovana ireto arakaraka izay resaka mandeha eo?

JEREO ILAY VIDEO HOE “NY VY NO MAMPAHARANITRA NY VY”: FANOMBOHAN-DRESAKA. VALIO ITY AVY EO:

Inona avy ireo dingana telo hanampy anao hanatsara ny fahaizanao?