Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

“Rain’ny Kamboty Ray” i Jehovah

“Rain’ny Kamboty Ray” i Jehovah

Betsaka ny tanora mifidy ny ho naman’i Jehovah isan-taona. (Sl 110:3) Tena tia anareo tsirairay i Jehovah. Azony tsara ny olana atrehinareo ary mampanantena izy hoe hanampy anareo hanompo azy. Raha ny dadanao na ny mamanao irery no mitaiza anao, dia tadidio fa “rain’ny kamboty ray” i Jehovah. (Sl 68:5) Noho ny fampiofanany, dia hahomby ianao na manao ahoana na manao ahoana ny zavatra iainanao ao an-trano.​—1Pe 5:10.

JEREO ILAY VIDEO HOE MAHAVITA MIARO NY FINOANA... IREO NOTEZAIN’NY RAINY NA NY RENINY IRERY, ARY VALIO IRETO:

  • Inona no ianaranao avy amin’i Tammy sy Charles ary Jimmy?

  • Inona no ampanantenain’ny Salamo 27:10 an’izay notezain’ny rainy na ny reniny irery?