Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

20-26 Mey

SALAMO 40-41

20-26 Mey

Hira 102 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

1. Nahoana Isika no Tokony Hanampy ny Hafa?

(10 min.)

Mahafaly ny manampy ny hafa (Sl 41:1; w18.08 22 § 16-18)

Ampian’i Jehovah izay tia manampy ny hafa (Sl 41:2-4; w15 15/12 24 § 7)

Manome voninahitra an’i Jehovah isika rehefa manampy ny hafa (Sl 41:13; Oh 14:31; w17.09 12 § 17)

SAINTSAINO IZAO: ‘Misy olona azoko ampiana mba hahay hampiasa kokoa ny JW Library ve eo anivon’ny fiangonana?’

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

3. Famakiana Baiboly

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(3 min.) TSY ARA-POTOANA. Izay olona hitanao hoe sariaka iresahana. (lmd lesona 2, hevitra 3)

5. Miresadresaha Aloha

(4 min.) TSY ARA-POTOANA. Izay olona hitanao hoe malahelohelo iresahana. (lmd lesona 3, hevitra 5)

6. Rehefa Mampianatra

(5 min.) lff lesona 14, hevitra 6. Misalasala hanome valin-teny any am-pivoriana ny mpianatra Baiboly iray. Iaraho midinika aminy ny hevitra iray avy ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Miderà An’i Jehovah Rehefa any Am-pivoriana”, eo amin’ilay hoe “Jereo koa Ireto.” (th lesona 19)

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 138

7. Manaova Soa Amin’ireo Be Taona

(15 min.) Fiaraha-midinika.

Sarobidy amin’i Jehovah izay rehetra ataon’ny be taona eo anivon’ny fiangonana, ary tokony hankasitraka an’izany koa isika. (He 6:10) Niezaka mafy izy ireny nandritra ny taona maro mba hampianatra sy hampiofana ary hampahery ny mpiara-manompo. Mety ho tadidinao angamba ny fomba nanampian’izy ireny anao. Inona no azonao atao mba hampisehoana hoe mankasitraka an’izay rehetra nataon’izy ireny sy izay mbola ataony eo anivon’ny fiangonana ianao?

Alefaso ilay VIDEO hoe ‘Manaova Soa Amin’ny Mpiray Finoana.’ Iaraho midinika ireto fanontaniana ireto avy eo:

  • Inona no nianaran’i Ji-Hoon avy amin’ny Rahalahy Ho-jin Kang?

  • Inona no itiavanao an’ireo be taona eo anivon’ny fiangonana?

  • Inona no ianarantsika avy amin’ilay fanoharana momba an’ilay Samaritanina tsara fanahy?

  • Nanasa olon-kafa hiaraka taminy i Ji-Hoon tamin’izy nanampy ny Rahalahy Ho-jin Kang. Nahoana no mety izany nataony izany?

Raha misaintsaina momba ny zavatra ilain’ireo be taona eo anivon’ny fiangonana isika, dia hahita fomba samihafa anampiana azy ireny. Rehefa hitanao àry hoe inona no ilainy, dia eritrereto izay azonao atao.​—Jk 2:15, 16.

Vakio ny Galatianina 6:10. Iaraho midinika ity fanontaniana ity avy eo:

  • Inona no azonao atao raha te “hanao soa” amin’ny be taona eo anivon’ny fiangonana ianao?

8. Fianarana Baiboly

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 111 sy Vavaka