Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

27 Mey–2 Jona

SALAMO 42-44

27 Mey–2 Jona

Hira 86 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

1. Mandraisa Soa avy Amin’ny Fampianaran’Andriamanitra

(10 min.)

Miaraha amin’ny rahalahy sy anabavy rehefa manompo an’i Jehovah, ary miezaha hiaraka amin-dry zareo mivantana raha mbola azo atao (Sl 42:4, 5; w06 1/6 9 § 4)

Mivavaha alohan’ny hianatra Baiboly (Sl 42:8; w12 15/1 15 § 2)

Amin’ny zava-drehetra ataonao, dia avelao hitari-dalana anao ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly (Sl 43:3)

Manampy antsika hiatrika fitsapana ny fampianaran’Andriamanitra. Manampy antsika hanefa ny voady nataontsika tamin’isika nanokan-tena koa izy io. ​—1Pe 5:10; w16.09 5 § 11-12.

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

  • Sl 44:19: Inona no tiana holazaina amin’ilay hoe “tany amin’ny fonenan’ny alikadia”? (it “Alikadia” § 3)

  • Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

3. Famakiana Baiboly

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(4 min.) ISAN-TRANO. Asao hianatra Baiboly ilay olona. (lmd lesona 5, hevitra 5)

5. Rehefa Miverina Mitsidika

(5 min.) ISAN-TRANO. Asao hanatrika ny lahateny ho an’ny besinimaro ilay olona. Asehoy ilay video hoe Inona no Atao any Amin’ny Efitrano Fanjakana? (aza alefa) ary iaraho midinika avy eo. (lmd lesona 7, hevitra 5)

6. Lahateny

(3 min.) lmd Fanazavana Fanampiny A, hevitra 4: Foto-kevitra: Ho Salama Tsara Daholo ny Olona. (th lesona 2)

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 21

7. Mahaiza Manapa-kevitra Amin’ny Resaka Asa sy Fianarana

(15 min.) Fiaraha-midinika.

Ry tanora, efa noeritreretinao ve hoe inona no hataonao rehefa vita ny fianaranao eny amin’ny lise? Misy asa efa noeritreretinao hoe hanampy anao hanao mpisava lalana angamba. Na koa ianao mety ho efa nandinika hoe inona ny fianarana fanampiny hataonao mba hahazoana fahaizana na diplaoma hoentina hanao an’izany asa izany. Faly erỳ izao ianao mieritreritra an’izany! Na izany aza, dia mety tsy ho hitanao izay atao satria be dia be ny safidy eo alohanao, na mety hahatsapa ianao hoe teren’ny olon-kafa handray fanapahan-kevitra. Inona àry no hanampy anao handray fanapahan-kevitra tsara?

Vakio ny Matio 6:32, 33. Iaraho midinika ity fanontaniana ity avy eo:

  • Nahoana no mahasoa antsika ny manana tanjona ara-panahy aloha vao mieritreritra ny hanao fanapahan-kevitra lehibe momba ny asa sy ny fianarana?

  • Inona no azon’ny ray aman-dreny atao mba hanampiana ny zanany hampihatra ny Matio 6:32, 33?​—Sl 78:4-7

Tandremo sao ny faniriana te hahazo vola be mba hampiadana anao na ny faniriana te halaza, no mahatonga anao handray fanapahan-kevitra. (1Jn 2:15, 17) Tadidio fa matetika no sarotra amin’ny olona manam-bola ny manaiky ny hafatra momba an’ilay Fanjakana. (Lk 18:24-27) Raha mikatsaka vola sy harena ny olona iray, dia ho sarotra aminy ny handroso ara-panahy sy hahavita hampifaly an’i Jehovah.​—Mt 6:24; Mr 8:36.

Alefaso ilay VIDEO hoe Aza Miantehitra Amin’ny Hazo Boboka!: Vola. Iaraho midinika ireto fanontaniana ireto avy eo:

  •   Nahoana ny Ohabolana 23:4, 5 no manampy anao handray fanapahan-kevitra tsara?

8. Fianarana Baiboly

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 145 sy Vavaka