3-9 Jona
SALAMO 45-47
Hira 27 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)
1. Hira Momba ny Fampakaram-badin’ny Mpanjaka Iray
(10 min.)
Miresaka momba ny fampakaram-badin’ny Mesia Mpanjaka ny Salamo 45 (Sl 45:1, 13, 14; w14 15/2 9 § 8-9)
Hatao aorian’ny Aramagedona ilay fampakaram-badin’ny Mpanjaka (Sl 45:3, 4; w22.05 17 § 10-12)
Hahazo fitahiana ny olombelona rehetra noho ilay fampakaram-bady (Sl 46:8-11; it “Ady, II”: “Ady ataon’i Kristy, ilay ‘Mpanjakan’ny mpanjaka’” § 5)
SAINTSAINO IZAO: ‘“Mientanentana be” ve ny foko dia lasa mazoto mitory ny vaovao tsara momba an’i Jesosy Kristy Mpanjakantsika aho?’—Sl 45:1.
2. Vatosoa Ara-panahy
(10 min.)
-
Sl 45:16: Hanao ahoana ny fiainana ao amin’ny Paradisa raha jerena io andininy io? (w17.04 11 § 9)
-
Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?
3. Famakiana Baiboly
(4 min.) Sl 45:1-17 (th lesona 5)
4. Miresadresaha Aloha
(3 min.) TSY ARA-POTOANA. (lmd lesona 1, hevitra 3)
5. Lahateny
(5 min.) ijwbv 26: Foto-kevitra: Inona no Tian’ny Salamo 46:10 Holazaina? (th lesona 18)
6. Hazavao ny Zavatra Inoanao
(4 min.) Fampisehoana. g 12/10 22-23: Foto-kevitra: Ahoana no Fiheveranao ny Firaisan’ny Samy Lehilahy na Samy Vehivavy? (lmd lesona 6, hevitra 5)
Hira 131
7. Asehoy Foana hoe Tianao ny Vadinao
(10 min.) Fiaraha-midinika.
Fotoana mahafaly ny andron’ny fampakaram-bady. (Sl 45:13-15) Matetika io andro io no anisan’ny fotoana mahafaly indrindra ho an’ny mpivady. Inona anefa no azon’ny mpivady atao mba tsy ho tamin’iny andro iny ihany izy ireo no mahatsapa ho sambatra?—Mpto 9:9.
Ilain’ny mpivady ny mifaneho fitiavana raha te hanana tokantrano sambatra izy ireo. Afaka mianatra avy amin’ny nataon’i Isaka sy Rebeka izy ireo. Milaza ny Baiboly fa mbola nifaneho fitiavana foana i Isaka sy Rebeka, na dia efa nivady 30 taona mahery aza izy ireo. (Ge 26:8) Ahoana no azon’ny mpivady anahafana an-dry zareo?
Alefaso ilay VIDEO hoe Tianao ve Raha Sambatra ny Tokantranonao? Asehoy Amin’ny Vadinao hoe Tianao Izy. Iaraho midinika amin’ny mpanatrika ireto fanontaniana ireto avy eo:
-
Inona no mety hahatonga ny mpivady tsy dia hifaneho fitiavana loatra intsony?
-
Inona no azon’ny mpivady atao mba samy hahatsapa ry zareo hoe tiana sy anehoana fiahiana?—As 20:35
8. Zavatra Ilain’ny Fiangonana
(5 min.)
9. Fianarana Baiboly
(30 min.) rr toko 10 § 1-7, video fampidirana