6-12 Mey
SALAMO 36-37
Hira 87 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)
1. “Aza Sosotra Amin’ny Ataon’ny Mpanao Ratsy”
(10 min.)
Mijaly isika noho ny ataon’ny ratsy fanahy (Sl 36:1-4; w17.04 10 § 4)
Vao mainka isika ho voa mafy raha tezitra amin’ny “mpanao ratsy” (Sl 37:1, 7, 8; w22.06 10 § 10)
Hilamin-tsaina isika raha matoky ny fampanantenan’i Jehovah (Sl 37:10, 11; w03 1/12 13 § 20)
SAINTSAINO IZAO: ‘Liana loatra amin’ny vaovao manasongadina ny ataon’ny mpanao ratsy ve aho, ka lasa mikorontan-tsaina?’
2. Vatosoa Ara-panahy
(10 min.)
-
Sl 36:6: Inona no tian’ny mpanao salamo holazaina amin’ny hoe toy ny “tendrombohitra tsara tarehy” [na “tendrombohitr’Andriamanitra”, f.a.p.] ny fahamarinan’i Jehovah? (it “Tendrombohitra”: “Heviny an’ohatra sy ara-paminaniana” § 10)
-
Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?
3. Famakiana Baiboly
(4 min.) Sl 37:1-26 (th lesona 10)
4. Miresadresaha Aloha
(3 min.) ISAN-TRANO. (lmd lesona 1, hevitra 5)
5. Rehefa Miverina Mitsidika
(4 min.) TSY ARA-POTOANA. Asao hianatra Baiboly ny olona iray tsy nanaiky hianatra taloha. (lmd lesona 9, hevitra 4)
6. Lahateny
(5 min.) ijwbv 45: Foto-kevitra: Inona no Tian’ny Salamo 37:4 Holazaina? (th lesona 13)
Hira 33
7. Vonona Hiatrika “Fotoan-tsarotra” ve Ianao?
(15 min.) Fiaraha-midinika.
Noho ny loza isan-karazany mitranga eran-tany, na loza araka ny natiora izany na loza vokatry ny nataon’ny olombelona, dia misy amin’ny mpiara-manompo amintsika mamoy ny fananany sy maty havana. (Sl 9:9, 10) Mety hitranga amintsika rehetra izany, ka mila miomana daholo isika.
Ankoatra ny fanomanana ny zavatra ilaintsika, a inona koa no tokony hataontsika mba ho vonona rehefa mitranga ny loza?
-
Omano ny saina: Ekeo hoe mety hitranga ny loza, ary eritrereto dieny izao izay tokony hataonao mba ho vonona amin’izany. Aza miraiki-po be loatra amin’ny fanananao. Tsy hanaonao foana ianao amin’izay fa hifantoka amin’ny famonjena ny ainao sy ny ain’ny olon-kafa, fa tsy ny fanananao. (Ge 19:16; Sl 36:9) Tsy ho kivy na halahelo be koa ianao raha afoinao ny fanananao.—Sl 37:19
-
Hatanjaho ny fifandraisanao amin’i Jehovah: Miezaha hatoky kokoa hoe hahavita hikarakara anao i Jehovah sady maniry hanao an’izany. (Sl 37:18) Alohan’ny hitrangan’ny loza, dia tadidio foana hoe ho vitan’i Jehovah ny hitarika sy hanohana antsika mpanompony na dia mety hoe ‘ny aintsika’ ihany aza no ‘ho babontsika.’—Je 45:5; Sl 37:23, 24
Raha matoky isika hoe ho tanteraka ny fampanantenan’i Jehovah, dia ho “fiarovana mafy” ho antsika izy “amin’ny fotoam-pahoriana.”—Sl 37:39.
Alefaso ilay VIDEO hoe Vonona ve Ianao Raha Misy Loza Mitranga? Iaraho midinika amin’ny mpanatrika ireto fanontaniana ireto avy eo:
-
Ahoana no anampian’i Jehovah antsika ao anatin’ny fotoam-pahoriana?
-
Inona avy no azontsika atao mba ho vonona hiatrika an’izay mety hitranga?
-
Inona no azontsika atao mba hanampiana ny tra-boina?
8. Fianarana Baiboly
(30 min.) rr toko 9 § 10-17
Teny Famaranana (3 min.) |
a Jereo ny Mifohaza! No. 5 2017, pejy 4-6.