Ho Feno Fahalalana An’ i Jehovah ny Tany
Tanteraka tamin’ny Israelita io faminaniana io
-
Tsy nila natahotra bibidia na olona nanana toetram-biby izy ireo, na teny an-dalana hody avy tany Babylona izany na rehefa tonga tany amin’ny taniny.—Ezr 8:21, 22
Tanteraka ankehitriny io faminaniana io
-
Manova toetran’olona maro ny fahalalana an’i Jehovah. Na ireo nahery setra aza lasa tia fihavanana. Lasa tafaray ao amin’ny paradisa ara-panahy ny olona maro eran-tany satria mahalala an’i Jehovah
Ho tanteraka amin’ny hoavy io faminaniana io
-
Hovana ho paradisa ny tany manontolo, araka ny fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany. Hilamina tsara ny fiainana amin’izay. Tsy hisy olona na biby haninona antsika intsony