NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Mandresy ny Fanavakavahana ny Fampianaran’ i Jehovah
Tsy mizaha tavan’olona i Jehovah. (As 10:34, 35) Ekeny hanompo azy ny olona ‘avy amin’ny firenena sy foko sy vahoaka ary fiteny rehetra.’ (Ap 7:9) Tsy tokony hisy hanavakavaka àry eo anivon’ny fiangonana kristianina. (Jk 2:1-4) Nampianarin’i Jehovah isika, ka niala tamin’ny toetra ratsintsika. Lasa afaka mankafy paradisa ara-panahy isika noho izany. (Is 11:6-9) Manahaka an’i Jehovah isika raha miezaka mafy manaisotra ny fanavakavahana ao am-pontsika.—Ef 5:1, 2.
JEREO ILAY VIDEO HOE JOHNY SY GIDEON: MPIFAHAVALO LASA MPIRAHALAHY. VALIO AVY EO IRETO FANONTANIANA IRETO:
-
Tsy mahafoana ny fanavakavahana sy ny fitsarana an-tendrony ny ezaka ataon’ny olona. Nahoana anefa ny fampianaran’i Jehovah no mahavita an’izany?
-
Nahoana ianao no miaiky hoe toy ny mpirahalahy isika eran-tany?
-
Nahoana no mahazo voninahitra i Jehovah rehefa miray saina isika?