5-11 Desambra
ISAIA 1-5
Hira 107 sy Vavaka
Teny Fampidirana (3 min. na latsaka)
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA
“Andao Isika Hiakatra ho any An-tendrombohitr’i Jehovah”: (10 min.)
[Alefaso ilay video Fampidirana ny Bokin’i Isaia.]
Is 2:2, 3: Ny fivavahana marina no tiana holazaina amin’ilay hoe “tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah” (ip-1 38-42 § 6-11; ip-1 45 § 20-21)
Is 2:4: Tsy mianatra ady intsony ny mpanompon’i Jehovah (ip-1 46-47 § 24-25)
Andao Hikaroka Harena Miafina: (8 min.)
Is 1:8, 9: Nahoana no lazaina fa “nilaozana toy ny trano rantsankazo eny an-tanimboaloboka” i Ziona zanakavavy? (w06 1/12 8 § 5)
Is 1:18: Inona no dikan’ilay tenin’i Jehovah hoe: “Avia hifandamina isika”? (w06 1/12 8 § 6; it “Fampihavanana”: “Dingana ilaina hatao” § 1)
Inona no ianarako momba an’i Jehovah, amin’ny famakiana Baiboly amin’ity herinandro ity?
Ary inona ny hevitra azoko ampiasaina amin’ny fanompoana?
Famakiana Baiboly: (4 min. na latsaka) Is 5:1-13
FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA
Omano ny Fitoriana Amin’ity Volana Ity: (15 min.) Fiaraha-midinika. Alefaso tsirairay ireo video misy fomba fitory modely, ary iaraho midinika ny hevi-dehibe. Ampirisiho ny mpitory hamorona fomba fitory mety aminy.
NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Zavatra ilain’ny fiangonana: (7 min.) Raha tsy misy zavatra mila resahina amin’ny fiangonana, dia azo ampiasaina ny Diary (yb16 32 § 3–34 § 1). Asao ny mpanatrika hilaza ny fianarana noraisiny.
“Hatsarao ny Fanompoanao: Miezaha Hanohina ny Fo Rehefa Mampianatra Amin’ny Boky ‘Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra’”: (8 min.) Fiaraha-midinika. Ampirisiho hampihatra ny voalazan’ny boky Sekolin’ny Fanompoana, pejy 261-262, ireo manana anjara amin’ny Fampianarana Baiboly amin’ity volana ity.
Fianarana Baiboly: (30 min.) kr toko 5 § 1-9
Famintinana sy Santionan’izay Hodinihina Amin’ny Herinandro (3 min.)
Hira 154 sy Vavaka
Fampahatsiahivana: Alefaso indray mandeha aloha ny mozika, izay vao atao ilay hira vaovao.