“Andao Isika Hiakatra ho any An-tendrombohitr’ i Jehovah”
“Izao no tsy maintsy hitranga any am-parany” |
Amin’izao androntsika izao |
“Ny tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah” |
Ny fivavahana marina amin’i Jehovah |
“Hitanjozotra ho any ny firenena rehetra” |
Hiara-manompo an’i Jehovah ireo manaraka ny fivavahana marina |
“Avia! Andao isika hiakatra ho any an-tendrombohitr’i Jehovah” |
Manasa ny hafa hiaraka aminy ny tena mpivavaka |
“Hampianatra antsika ny lalany izy, ary handeha amin’ny atorony isika” |
Mampianatra antsika amin’ny alalan’ny Teniny i Jehovah, ary manampy antsika hanana fomba fiaina mampifaly azy |
“Tsy hianatra ady intsony” |
Miezaka ho tia fihavanana ny vahoakan’i Jehovah, satria nilaza i Isaia fa havadika ho fitaovam-pamokarana ny fitaovam-piadiana. Inona ireo fitaovam-pamokarana ireo? |
“Ny sabany ho angadinomby” |
1 Fitaovana manisy soritra hoatran’ny tatatra kely amin’ny tany ny angadinomby. Vita tamin’ny varahina na halimo ny sasany.—1Sa 13:20 |
“Ny lefony ho antsy fandrantsanam-boaloboka” |
2 Mety ho fitaovana nisy lelany maranitra sady nisy tahony ny antsy fandrantsanam-boaloboka. Mitovitovy amin’ny antsy fijinjana izy io.—Is 18:5 |