Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Ry Tanora, Aza Mangataka Andro fa Midira Amin’ilay “Varavarana Lehibe”

Ry Tanora, Aza Mangataka Andro fa Midira Amin’ilay “Varavarana Lehibe”

Misy mieritreritra fa ho tanora lalandava izy, ary tsy ho antitra na ho tratran’ny “andro mahory” eto amin’ity tontolon’i Satana ity. (Mpto 12:1) Ary ianao? Mieritreritra ve ianao fa mbola ho ela ny iainana, ka tsy mahamaika ny manatratra tanjona ara-panahy, toy ny fanompoana manontolo andro?

“Mety ho azon-tsampona” isika rehetra, anisan’izany ny tanora. (Mpto 9:11) ‘Tsy fantatrao izay hitranga aminao rahampitso.’ (Jk 4:14) Aza ahemotra foana àry ny fotoana hanatratraranao tanjona ara-panahy. Midira amin’ilay ‘varavarana lehibe misokatra ho amin’ny asa’, dieny mbola misokatra ho anao izy io. (1Ko 16:9) Tsy anenenanao izany!

Tanjona sasany azo tratrarina:

  • Mitory amin’ny fiteny hafa

  • Manao mpisava lalana

  • Manatrika sekoly ara-baiboly

  • Manao asa fanorenana

  • Manompo ao amin’ny Betela

  • Manao ny asan’ny faritra

NY TANJOKO: