Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | OHABOLANA 27-31

Miresaka Momba ny Vady Tsara ny Baiboly

Miresaka Momba ny Vady Tsara ny Baiboly

Resahin’ny Ohabolana toko 31 fa nahazo hafatra mafonja avy tamin’ny reniny i Lemoela Mpanjaka. Nampianatra azy hahalala ny toetra tokony hananan’izay ho vadiny ny torohevitra feno fahendrena azony.

Mendri-pitokisana ny vady tsara

31:10-12

  • Manome soso-kevitra mahasoa ilay vehivavy rehefa misy fanapahan-kevitra raisina ao an-tokantrano. Manaiky ny vadiny foana anefa izy

  • Atokisan-dralehilahy izy hoe handray fanapahan-kevitra tsara. Tsy tereny hiera aminy koa izy isaky ny hanao zavatra

Mazoto miasa ny vady tsara

31:13-27

  • Mahay mianina sy mahay mitantam-bola ilay vehivavy. Miakanjo tsara àry ny ankohonany sady ampy sakafo

  • Miasa mafy izy ary mikarakara ny ankohonany andro aman’alina

Olona araka ny fanahy ny vady tsara

31:30

  • Matahotra an’Andriamanitra izy ary miezaka hifandray akaiky aminy